Tonga ho antsika (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
nanana nanana nanana
nanana nanana nanana
nanana nanana nanana
Ouh Ouh Ouh Ouh Ouh

1. Tao Betlehema,
Indro kintana no nanambara an'ilay Jesoa zaza
Arak'izay nolazain'i Isaia
Tanteraka ny teny fikasana

Ref.: Tonga hanazava, tonga hanavotra
Tonga ny zanak'Andriamanitra
Ny lanitra nivoha, nanome ny soa
Dera sy ny saotra ho Anao Jesoa

2. Ny mpiandry ondry,
Tonga avokoa raha vao nandre fa ao ilay zaza soa
Ny magy avy lavitra tokoa
Nivimbina izay tsara indrindra koa

Ref.: Tonga hanazava ...

3. Io zaza io,
Zaza masina, nandrandraina efa hatry ny elabe
Io no Jesoa, ilay teny tonga nofo
Ilay hany mendrika hatao hoe Tompo

Sokafako izao ny fo handray Anao mpanjakako
Koa mandrosoa Ianao Jesoa
Dia manjakà ny fiainako

Ref.: Tonga hanazava ...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GAFLI
Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Solofomandimby
Date : 29/01/2026 16:09
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0165