Miverena (2) (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy tsetsatsetsa tsy aritra e,
Ka samia manongilana
Tena resaka am-pitiavana e,
Fa aza atao manahirana
Maro loatra ny zanak'Andriamanitra no mifararemotra
Ka vao sendra ireo olana dia malaky mihemotra

1- Tandremo fa tsy izay tianao (no) mitranga am-piangonana ao
Isika izao ety mandalo fa aza dia maka fahavalo
Ny baikon'i Kristy, "andeha re hifankatia"

Ny zanak'i Noa dia tsy niala an-tsambo tao
Na mafy ny onjan-drano e, na mifamahofaho
Ka ndeha re miverena e, ataovy ampy izay
Fa miandry anao hatrany Izy,
Ho ao an-tranon-dRay

Misy tsetsatsetsa tsy aritra e ...

2- Aleo mifampiresaka raha sendra olana mitranga
Ny zanak'Andriamanitra tsy tsara mifandrangitra
Ny baikon'i Kristy, "andeha re hifankatia"

Ny zanak'i Noa dia tsy niala an-tsambo tao
Na mafy ny onjan-drano e, na mifamahofaho
Ka ndeha re miverena e, ataovy ampy izay
Fa miandry anao hatrany Izy,
Ho ao an-tranon-dRay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GAFLI
Visites : 75
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Solofomandimby
Date : 17/04/2024 14:59
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766