Jesosy ô! ekeko ny hitia (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Jesosy ô, ekeko ny hitia
Satria Ianao efa nitia, Jesosy ô!
Ny tsy tia efa notiavinao.
K'izaho indray ve Tompo no handà

Jesosy ô, manaiky aho ny hivavaka
Dia vavaka efa nanenjehana Anao, Jesosy ô!
Niaritra Ianao, novonoina, nohomboina.
K'izaho ve Tompo no handà

Fa enjika sy famonoana, fiokoana.
Ary lefona, latsa sy rora, akora e!
Na mafy, maningotra aina nozakainao.
Nolovaina Aminao ny taraina.
Fa nentinao, ekeko.
Eny Ray ô!
Hanaraka Anao, ekeko izao.
Fa sitrako.
K'izaho indray ve Tompo no handà

2. Jesosy ô, mino aho fa rahatrizay.
Amin'ny andro hiverenanao indray, Jesosy ô!
Feon-trompetra, fitsarana ataonao
Jesosy ô, hanangana Ianao.

Jesosy ô, manaiky aho ny hivavaka
Dia vavaka efa nanenjehana Anao, Jesosy ô!
Niaritra Ianao, novonoina, nohomboina.
K'izaho ve Tompo no handà

Fa enjika sy famonoana, fiokoana.
Ary lefona, latsa sy rora, akora e!
Na mafy, maningotra aina nozakainao.
Nolovaina Aminao ny taraina.
Fa nentinao, ekeko.
Eny Ray ô!
Hanaraka Anao, ekeko izao.
Fa sitrako.
K'izaho indray ve Tompo no handà
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : GAFLI
Visites : 1307
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Barinekena
Date : 16/03/2021 05:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792