Hateraka indray (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Nisy fanontaniana tamin'izay
Nataon'ny mpianatra anankiray:
"Ka inona ary no ho azonay,
Raha toa hanaraka Anao izahay?"

Izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra
Ka hanaraka Anao,
Koa inona re no ho azonay?

Ref.: Rehefa vonona hateraka indray
(Vao) handova fiainana mandrakizay
Rehefa vonona hateraka indray
(Dia) handova fiainana mandrakizay
Rehefa vonona (hateraka indray)
Mila vonona (hateraka indray)
Tsy maintsy vonona (hateraka indray)
Vao handova fiainana mandrakizay

2. Izay rehetra efa nahafoy fananana
Hipetraka amin'ny seza fiandrianana
Rehefa mby amin'ny fanavaozana,
Handray zato heny amin'izay efa nilaozana

Izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra
Ka hanaraka Anao,
Koa inona re no ho azonay?

Ref.: Rehefa vonona hateraka indray
(Vao) handova fiainana mandrakizay
Rehefa vonona hateraka indray
(Dia) handova fiainana mandrakizay
Rehefa vonona (hateraka indray)
Mila vonona (hateraka indray)
Tsy maintsy vonona (hateraka indray)
Vao handova fiainana mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 357
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 02/06/2025 16:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1706