Ampidiro aloha ny tenimiafina
65. Ny Amaramao Jesosy no m'a ifikirako (FIFOHAZANA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ny Anaranao JesosyNo mba ifikirako,
Fa satiria misy vonjy,
No mba ifaliako
Tsara re
Ny anaranao Jeso,
2.Ahazoam-pamojena
Ny Anaranao Jeso,
Sady misy fandresena,
Ho azon'ny mino e !
Tsara re…
3.Na dia iza aza ambony
Sy malaza anarana,
Ny Anaranao Jesosy,
No malaza fatratra,
Tsara re…
4.Ny anaranao Jesosy,
Malaza ao ambony ao ;
Ny anjely dia mihoby
Sy midera Azy ao
Tsara re…
5.Enga aho ry Mpamonjy !
Hankalaza Anao am-po !
Ny Anaranao Jesosy
No mba ho ventesiko.
Jeso ô
Ny Anaranao Jeso.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : FIFOHAZANAVisites : 647
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : roja
Date : 05/06/2024 12:42
