Ray Malala (Feo Fi APU Am)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jehovah Ray Malala o, mivavaka aminao ahoMba hodiovinao ity foko ho lapanao
Ny amiko rehetra omeko tsisy fetra
Mba hanompoako Anao ry Ray
ho voninahitrao
Fiv: Omeo fo mino Anao Ray o
Mba hahay manao ny sitrakao
Koa hamasino avokoa
Ny tena, saina sy ny fo
Omeo fo mino Anao Ray o
Mba hahay manao ny sitrakao
Ka dera no atolotro Anao ry Ray
Jehovah Ray Malala o, mivavaka aminao aho
Mba hodiovinao ity foko ho lapanao
Ny famindramponao no hitsinjovanao ahy
Ny Fanahy Masinao ry Ray
no hitari-dalana ahy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Feo Fi APU AmVisites : 313
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mahenitsoa
Date : 30/06/2023 11:06