Hidera Anao (Feo Fi APU Am)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Feno hafaliana, tretrika ery
Izahay tanoranao ry Ray Tsitoha o!
Ny fonay miravo, miramirana
Noho ny fanavotanao anay ry Tomposoa
Ka hira fiderana no asandratray
Noho ny soa rehetra avy Aminao
Ho Anao ny laza, voninahitra
Ry Andriamanitra Mpanjakanay
Tsy mba hosoloiko ny Anaranao
Fa hankalazaina ho re tokoa
Mba hanako ho ren'izao tontolo izao
Tompo tsy mba manam-paharoa

Fiv: Tsy mba hisy fetra fa hidera Anao
Ary tsy hitoetra fa hanompo Anao
Mihirà ry mino ho an'ny Tomponao
Ka ny Hosana no venteso izao

2- Aza mba variana, oh ry namako oh!
Atolory Azy izao ny fo, Fanahy koa
'Ndao ka miverena, manompoa Azy
Fa mahery ny Anarany
Ka asandrato avo izany feonao
Mba ho an'i Jesosy Tomposoa
Ary mibebaha sao ho neninao
Dia derao Ilay Mpanavotra
Aza mba misalasala ianao
Fa Jesosy injao miantso Anao
Mba ho zanany sy ho sakaizany
Ka hiaraka hihira hoe :

Fiv: Tsy mba hisy fetra...
A/C ANDRIAMBONINAHITRA Herimahafaly
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Fi APU Am
Vangy : 270
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mahenitsoa
Daty : 14/07/2023 12:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1201