Diso hevitra (Feo Fi APU Am)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1:
Noheveriko fa tsy nisy izany Jehovah izany
Noheveriko Fa tsy nisy izany Jesosy izany
Noheveriko Fa tonga tonga ho Azy izao rehetra izao
Hay ve ka nisy nanao, izao tontolo izao

Ny fantatro dia ny olombelona eto an-tany
Ireo no natao hanjaka hatrany hatrany
Dia tsy mba noeritreretiko akory fa hoe
Mbola misy lehibe noho ny olombelona

Ref: Diso hevitra aho
Eny diso aho hatrizay
Diso hevitra aho
Hatrizay tsy nahafantarako izay
Diso hevitra aho
Eny diso aho hatrizay
Hatrizay tsy mba ninoako ny Ray
fa hoe Izy no Andriamanitra


And 2
Noheveriko fa tsy misy izany fitsarana izany
Noheveriko fa rehefa dia maty dia maty ihany
Noheveriko fa tokana ihany izao fiainana izao
Hay ve ka mbola misy hafa ao ambadik'izao

Noheveriko fa anganongano baiboly io
Noheveriko fa ny kely saina no mino io
Noheveriko fa tsinontsinona izy io taloha
Hay ve ka tsara tokoa, sy mitondra zava-tsoa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feo Fi APU Am
Visites : 119
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mahenitsoa
Date : 13/03/2024 08:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736