Raiso ny dimy (Erick Manana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonony : Erick Manana
Feony : Erick Manana

Raiso ny dimy

Vola tsy latsaka an-danitra
Tsy maintsy mitady vao homana
Aleo aho hitady firotsaka
Raiso ny dimy a !

* Ny tanety malalaka e !
Ka aza ilaozanao mihahaka e !
F'izay kamo dia ho vaka re
Ho vaka ka hohitan'ny havany a !

Fiainana madalo miserana
Indrepa fa tsy mba miverina
Aza manaiky mba resiny a
Raiso ny dimy a !

Hafatrafatra ny ahy Rabe
Maitso volo ka mba mihetseha
Fa ny sipa manaraka e
Raha vao misy ary izany fanana e !


* Tsy mitovy amin'ny ao amin'ny kapila : http://www.youtube.com/watch?v=V66ZIdBJeIw
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Erick Manana
Visites : 4656
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tanjaka
Date : 25/11/2012 23:08
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745