Doudou (Bolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy andaniako fotoana intsony leisy ity
Na vola ividianana crédit
Na ho ela na ho haingana
Tsy maintsy hifankahita ho'aho rehefa te hifankatia
Ilay Facebook toa odiany fanina leisy
Tonga dia tongavana any an-tranony
Matahotra ihany sao hosivaniny
Fa rehefa tsy tia koa aloha dia mijanona

Fa ilay hikobona aloha toa mafimafy ihany e
Sao ho lasan'ny tompony ianao indray andro any e
x2

Rehefa handondona elabe dia tsy hovohainy aho ve? x4

Roa maka bahana, telo dia lasa
Manao manimanitra im-polo misasa
Raha mety ny tantana tonga dia miasa
Hanatanteraka izay mba kinasa

Odiô! ah doudoudou aka doudoudou
Tsy nety nivoha
Raha azo natao dia nisôty tamboho
Nefa izaho tsy tonga hangalatra akoho

Fa tonga hangataka aloha sao dia mba mahazo ihany e
Izay voatsirambin'ny fonao zarao raha mbola tsy lany e
x2

Efa mandondona elabe ka mba vohay aho re x4

Kanefa tsy nisy na mpanarangarana
Izaho moa tsy niala teo am-baravarana
Saika hikiaka aho hiantso ny anarany
Hoy aho hoe, ndeha hody aho ny farany
Iny aho no lasa fa ohatry ny mampihomehy
No injay fa naneno ilay lakile
Dia nivoaka izy sady vonona be
Ndao aho ho'izy mba ento mandehandeha

D'efa nentiko nankany Ambatolampy tany e
Nividianako ovy mafana roa vilany e
Nentiko nankany Ambatolampy tany e
Nividianako ovy mafana roa vilany e

Rehefa nandondona elabe dia novohainy aho e x4

Nentiko nankany Ambatolampy tany e
Dia nividianako karoty mafana iray vilany e
D'efa nentiko nankany Ambatolampy tany e
Dia nividianako karoty mafana. Lany e

Rehefa nandondona elabe dia novohainy aho e x4

Dia novohainy aho e, novohainy aho a
Novohainy aho, novohainy aho a
Dia novohainy aho e, novohainy aho a
Novohainy aho a
x2
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bolo
Visites : 48
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Domoina991
Date : 08/09/2024 14:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732