Samy hafa (Bolo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Samy hafa e,Samy hafa e,
Nefa samy afaka manambara fa
Olona afaka.
Samy hafa e,
Samy hafa e,
Nefa samy afaka manambara fa
Olona afaka.
Samy hafa ny lanitra sy ny tany
Ny iray ambony, ny iray ambany
Fa ataon'ny setroka mbamin'ny rahona
Mbamin'ny orana mihaona eo ihany
Samy hafa miankohaka sy miantsilany
Am-parafara na ladina an-tany
Fa rehefa tonga ny lera mipaika
Dia renoka miara-matory eo ihany
Samy hafa ny mivantana sy ny ankolaka
Ny molotra sy ny takolaka
Fa samy mitaty ny tsiron'ny
Bakely izay voatoraka
Samy hafa ny rano sy ny afo ô
Mandena sy mandoro manko ô
Fa rehefa miketrika miara-mirona
Dia masaka be ny sakafo ô.
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany ô
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany ô
Samy hafa e,
Samy hafa e,
Nefa samy afaka manambara fa
Olona afaka.
Samy hafa e,
Samy hafa e,
Nefa samy afaka manambara fa
Olona afaka.
Samy hafa ny haizina sy ny hazavana
Ny hatsiaka sy ny hafanana
Fa izay tsy misy foana no tadiavina
Ny misy tsy mahatamàna.
Samy hafa ny tokana sy ny maro
Ny mihataka sy mifangaro
Samy mandeha io dia samy mitady
Ny laoka hoatondraka ambonin'ny vary.
Samy hafa ny entina sy ny mitondra
Ny amboadia sy ny ondry a,
Manaiky matoa ialahy mirotsaka
F'aza malaky mitsoaka komondro
Samihafa fonenana sy ny fiaviana
Ka ho atambatra sa hampiadiana
Misy ny fery azo kenakenaina
Fa misy marary tsy maintsy didina.
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany ô
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany
Samy hafa fa miaraka ihany ô
Samy hafa e,
Samy hafa e,
Nefa samy afaka manambara fa
Olona afaka.
Samy hafa e,
Samy hafa e,
Nefa samy afaka manambara fa
Olona afaka.
--------
Rohy: