Anamalaho (Bolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay vitamine aza adinonao ho'aho
Asio makirana sy sakamalaho raha mety e
Vidio izay voankazo hitanao any

Ampangotrahy rano mafana
Asio ravintsara sy kininina vetivety
Dia vidio izay tantely hitanao mamy

Ao an-dohako ao aloha izao no marary
Ny hoditro tsapao kely anie fa mahamay
Rano atao betsaka izaho tsy hinam-bary
Ny oroko mitara-mena ohatry ny main'ny sakay sakay

Ny loza dia izaho mbola te hifoka sigara
Tsisy sorà ve any na iray
Vao misintona dia ao mikohaka
Ilay tratra, ny tendako mavaivay.
Oay, oay, oay oay.

Raha mbola tsy afaka izay marary
Raha mbola tsy afaka izay marary anamalaho e.
Raha mbola tsy afaka izay marary
Raha mbola tsy afaka izay marary amonoy akoho.


Ilay vitamine aza adinonao ho'aho
Asio makirana sy sakamalaho raha mety e
Vidio izay voankazo hitanao any

(paoma, manga, akondro, paiso)

Ampangotrahy rano mafana
Asio ravintsara sy kininina vetivety
Dia vidio izay tantely hitanao mamy

Ao an-dohako ao aloha izaho te hiala sigara
Ao an-dohako ao fotsiny ilay izy anefa
Miala no mety f'eto an-tanàna
Mahasosotra ahy daholo izay jereko rehetra

Iantohako ny njilaka andao haka fiara
Any ambanivohitra any isika no hilefa
Maloto ny rehivohitr'i Gasikara
Fako, amany, tay, voretra

Tsisy iainana fa tery, tsentsina be voan'ny sery
Haiko fa odiako tsy mijery e
Haiko fa odiako tsy mijery e
Tsisy hiainana fa tery tsentsina be voan'ny sery
Haiko fa odiako tsy mijery e
Haiko fa odiako tsy mijery e
Nefa efa haiko tsianjery e
Oay oay oay

Raha mbola tsy afaka izay marary
Raha mbola tsy afaka izay marary anamalaho e.
Raha mbola tsy afaka izay marary
Raha mbola tsy afaka izay marary amonoy akoho.
Oay


Haiko fa odiako tsy mijery e
Haiko fa odiako tsy mijery e
Haiko fa odiako tsy mijery e

Haiko fa odiako tsy mijery e
Haiko fa odiako tsy mijery e
Nefa efa haiko tsianjery e
Oay oay oay

Raha mbola tsy afaka izay marary
Raha mbola tsy afaka izay marary anamalaho e.
Raha mbola tsy afaka izay marary
Raha mbola tsy afaka izay marary amonoy akoho.
Oay

Ilay vitamine aza adinonao ho'aho
Asio makirana sy sakamalaho raha mety e
Vidio izay voankazo hitanao any

Ampangotrahy rano mafana
Asio ravintsara sy kininina vetivety
Dia vidio izay tantely hitanao mamy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bolo
Vangy : 633
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 03/06/2023 17:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125