KOMPOZE (Bolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
KOMPOZE

Oay! Tara be
Aingana fa mila mandeha
Ny ambotaka efa mamely
Sao voatery ampiasa vatape
Miditra amin’ny 8 a any ampiasana
Am9 aho vo mety ho tonga any
Kandra miandry ao mampitomany
F alohan’izany


Ref : Mihinana kompoze! kompoze! kompoze
Mila mihinana ron-dasopy! kompoze
Mila mihinana kompoze! kompoze! kompoze
Mila minana ron-dasopy! kompoze! asio lasary


Oay ! Tara be
Aingana fa mila mandeha
Mila mody miana-desona
Devoir mameno cahier
Tsienjery maimbona SVT
Iakanakana hiteny anglais
De nesorina ny tablier
Fa alohan’izany


Ref : …
Instru


Oay! Tara be!
Aingana fa mila mandeha
Maika hinam-bolambahoaka
Fivoriana ao amin’ny Assemblée
Tsy fantatr’elah zah deputé
Noana be zah mila gouter
Pimpipirlipa erakin’ny arabe
Fa maika ho aiza e


Ref : …


Oay ! Tara be
Aingana fa mila mandeha
Efa hipoka ny fiangonana
Andao hibebaka aloha zandry e
Dimampolo toko saplet
Mandoalika tsy akipepe
Divay amin’ny goute raha mitete
Tsy aleo loh ve?


Ref : …
Instru (mila mihinana kompoze)


Tsara ny maskita ny bolety e
(Nenah kompoze)
Raha tsisy ôrdevra tsy mety e
(Nenah kompoze)
Iandry tongotr’omby tsy ho masaka
(Nenah kompoze)
Na be ronono aza ny katsaka
(nenah kompoze)
Ny any atrano na hena omby ritra
Na ravitoto be maditra
Aleo ipitrapitra ny kompoze tsy maintsy voatifitra
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/bolo/kompoze
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bolo
Vangy : 99
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsolem
Daty : 18/01/2023 19:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0663