Noana (Bolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho tsy mety voky izy tsy mety lany
Na ritra na roniny ao anaty vilany
Ka raha mbola misy ao dia manesika ihany
Dia izay tsy mety asiana sira asiana siramamy
Izaho tsy mety voky izy tsy mety lany
Na ritra na roniny ao anaty vilany
Ka raha mbola misy ao dia manesika ihany
Dia izay tsy mety asiana sira asiana siramamy

Yeeh, dia mitsoraka, nihoraka
Nokarakaraina dia nivoraka
Dia mitsoraka, nihoraka
Nokarakaraina dia nivoraka.
Yeeh! Dia mitsoraka, nihoraka
Ilay mpikarakara aza mivoraka
Dia mitsoraka, nihoraka
Dia nivoraka

Fa tsy lavorary ny tontolonao
Fa raha mba manana ianao
Raha misy kely any dia zarao.

Dia tsy nahalala onina fa nihinana
Tendan-kanina ny aty ho'aho fa aza mifaninana
Fa mbola tsy nirotsaka io dia tratrako eny am-panidinana
Tsy hozaraiko an'iza n'iza fa laniko am-pahanginana
Dia tsy nahalala onina fa nihinana
Tendan-kanina ny aty ho'aho fa aza mifaninana
Fa mbola tsy nirotsaka io dia tratrako eny am-panidinana
Tsy hozaraiko an'iza n'iza fa laniko am-pahanginana

Yeeh! Dia mitsoraka, nihoraka
Nokarakaraina dia nivoraka
Dia mitsoraka, nihoraka
Nokarakaraina dia nivoraka ieeeh
Yeeh! Dia mitsoraka, nihoraka
Ilay mpikarakara aza nivoraka
Dia mitsoraka, nihoraka
Dia nivoraka

Fa tsy lavorary ny tontolonao
Fa raha mba manana ianao
Raha misy kely any dia zarao.

Teo am-pandevonana aho vao lasa saina
Ny andro mitatao vovonana migaingaina
Nanotika, nanehatra tena nanaintaina
Tonga saina!
Rehefa be loatra kay mihatra aman'aina.

Any misy mety tsy mihinana mitaraina
Ny ahy vao tsy ampy dôzy kely dia miferin'aina
Saika maty aho fa sitrana nony maraina.
Tonga saina!
Rehefa be loatra kay azo zaraina.

Fa tsy lavorary ny tontolonao
Fa raha mba manana ianao
Raha misy kely any dia zarao.
Fa tsy lavorary ny tontolonao
Fa raha mba manana ianao
Raha misy kely any dia zarao.

...
Raha mba manana ianao
...
Raha misy kely any dia zarao.

...
Raha mba manana ianao

Fa tsy lavorary ny tontolonao
Fa raha mba manana ianao
Raha misy kely any dia zarao.
Fa tsy lavorary ny tontolonao
Fa raha mba manana ianao
Raha misy mihoatra any dia zarao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bolo
Vangy : 67
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 08/05/2025 10:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0769