SIMA (SIPA MANIDINA) (Bolo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sima sima

#Couplet 1:
Sipa manidina io voatifitra eny ampanidinana
Tsy mitsingidina io fa ialahy mihitsy no efa tiany hidirana
io tsy hifandirana, samy voky satria samy nihinanana
Dia Rehefa mikaly aloha dia gasy manaja fahanginana, Ao ao ao,

#Refrain:
Fa vao namelatra dia izy dia faly ialahy lah lah
Hikopaka elatra izy ho fay eo ialahy lah lah
Fa vao namelatra izy dia hum, hikopaka elatra izy ho fanina eo ialahy lah lah
Aiza ny lalan'ialahy ay, fa ho fanina eo ialahy lah lah ouu yeah hum

#Couplet 2:
Ayo, Sipa manidina io, asa angaha izay fanambinany
matoa tafidina efa nahafandrika iray tao ampandrinany
Hamory fianakaviana avy eo ny tanana ankaviany
Be mpifanadrina fa iray no tsy afa-panadinana

#Refrain:
Fa vao namelatra dia izy dia faly ialahy lah lah
Hikopaka elatra izy ho fay eo ialahy lah lah
Fa vao namelatra izy dia hum, hikopaka elatra izy ho fanina eo ialahy lah lah
Aiza ny lalan'ialahy ay, fa ho fanina eo ialahy lah lah ouu yeah hum

#Couplet 3:
Sipa manidina io tsy voafetra ny isan'ny mpifaninana
Tsy mifidy fiodirana fa vola no isan-tapakilany
Tsy dia hoe voafidy izy fa izay tiany dia hakany fiany
Tsy miresaka ela izy raha mahalaza azy ny maso pihany

#Refrain:
Fa vao namelatra dia izy dia faly ialahy lah lah
Hikopaka elatra izy ho fay eo ialahy lah lah
Fa vao namelatra izy dia hum, hikopaka elatra izy ho fanina eo ialahy lah lah
Aiza ny lalan'ialahy ay, fa ho fanina eo ialahy lah lah ouu yeah hum

#Couplet 4:
Sipa manidina io, misambotra azy tsy dia manahirana
Malemy ohatran'ny taratasy ialahy matoa hifirany
Matoa fikiriny dia misy zavatra tiany ho sikiriny
Misy mangirana toa sarotra raha iodivirana

#Refrain:
Fa vao namelatra dia izy dia faly ialahy lah lah
Hikopaka elatra izy ho fay eo ialahy lah lah
Fa vao namelatra izy dia hum, hikopaka elatra izy ho fanina eo ialahy lah lah
Aiza ny lalan'ialahy ay, fa ho fanina eo ialahy lah lah ouu yeah hum

#Bridge:
Sima, sima, sipa manidina io, hitondray tantely raha te hanandrana ny ngidin'io fa
Sima, sima, sipa manidina io, mamy ny tantely fa marary koa ny voatsindron'io (x2)

#Outro:
Dia aleo hanidina io fa ity sisa tiako ho tsipihana,
aleo hipitsihana izy sy ny fihatsaram-belatsihany
Fa hoe mbola be ny azy ny kianja mba tiany ho tsidihina
Dia izao ilay zaza dieny izao tsy hanaraka ny diany (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bolo
Vangy : 412
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tsitokelyko
Daty : 30/11/2023 06:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736