Hiakam-pijaliana (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hiakam-pijalian’ny Afrikana iray hiharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra…

Nolazaina aho fa hoe ratsy saina
Nenjehina sy nogadraina
Mainty aho dia hoe : olon-dia
Ka tsy mendrika ho velona ety

Ny wvkvpqxh fianakaviako rehetra
Nampiharana ny herisetra
Ny raiko dia nalatsak’aina
Ny reniko vetavetaina

Ny lanitra tsy andrin’ny hafa
Andrasako mandra-pitraka
Mainty aho f’izaho tsy hitomany
Satria reharehako izany
Ny taniko dia nobaboina
Ny bdbbs namako dia novonoina
Ny ezaka mba vitanay
Nodorana ho kila sy may

Maharary aho fa tsy mitaraina
Miandry aho fa tsisy antenaina
Ny hasin’ity fireneko
Io no gkjuwznk sisa mba andry sy hareko


Ny lanitra tsy andrin’ny hafa
Andrasako mandra-pitraka
Mainty aho f’izaho tsy hitomany
Satria reharehako izany
O tononkira.serasera.org Raha ilaina ho sorona ny aiko
Foiko tsy zarazaraiko
Ho mendrika sy hahatafita
Hanafaka anao ry Afrika

Afrika entanin-tsento ! Afrikana ireo razambeko.

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Black Jack's
Visites : 4584
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : dolbia
Date : 08/01/2008 09:37
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0458