Satria ianao handeha (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tandrovinao tokoa
Tsy ho resy tsy ho lò
Tsy ho dilatry ny ela
Tsy ho voahontsona hianjera
Ireo teny hitondra soa
‘zay mba vokatry ny fo
Ho ataonao vatsin-tsaina ho enti-miaina

Indro tò ankehitriny
Ilay resako fahiny
Fony ianao mba notrotroiko
F’isan-janako tsy foiko
Hoe hisy andro iray
‘zay handaozanao anay
Handraisanao ny adidy sarobidy
Sy lehibe

Sanatria tsy ho tsiny ho anao
Izao ranomaso izao
Fa mba raiso toa porofo iray
F’ianao dia zanakay
Handao ny tokantrano
Ka ho toloranay tso-drano
Hahazo izay ilaina hoenti-miaina
Tsy ho satrinay tokoa
Sanatria ve ratra fo
Ka hitomany toy izao e
Fa hisaraka aminao
Satria ianao handeha
Ts’hifankahita ela be
Hiatrika adin-tsaina tsy hita hisaina
Sombiniaina

Ny entan-kely efa voafehy
Ka indro ianao andeha handeha
Mahaleova hatrany hatrany e
‘zany zanako izany !
Ny hany sisa hafatray
Raha mba misy ny andro iray
Mahatsiaro ianao fa honena
Very fanantena,
Miverena !

Tso-drano iray
No atolotray,
Hahita hatrany
Ny soa sy mamy

Tso-drano iray
No atolotray,
Hahita hatrany
Ny soa sy mamy

‘zao fotoana kely ‘zao
No sisa anananay anao
Ka manahy no sady faly
Raha mahatsiaro ny andro omaly
Fa mba nofo aman-drà
Ka mba ontsa ny fanahy
Hahantra irery zao ilay reny
Satria ianao andeha handeha
Handeha handeha
Handeha handeha

Tso-drano iray
No atolotray,
Hahita hatrany
Ny soa sy mamy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Jack's
Vangy : 5593
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/11/2014 02:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885