Lehibe ianao izao (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lehibe ianao izao, tojo vanim-potoana hisantaranao (ny) ho avy.
Lehibe ianao izao, vory saina, fanahy sy tomady.
Hanokana safidy, hiatrika ny adidy,
Tsy hanana ahiahy fa ho sahy.

Lehibe ianao izao, handray an-tanana ny fiainanao amin'izay.
Lehibe ianao izao, hitondra avo ilay anaran-dray.
Ity ilay zaza izay tsimbotry, f'efa andry sady toky,
Toavina manoro, mahasolo.


Ilay saim-pahendrenao no tohizo sy kajio,
Ny ilom-by an-doha ambonio!
Raha tojo mafy, ny mivavaka aza adino!
Fa hery sy toky ho anao ny mino.


Lehibe ianao izao, ka handao ity akany izay mba nanabe.
Lehibe ianao izao, efa nifidy ny lalan-ko aleha,
Hanorin-tokantrano, hangataka tso-drano,
Hiampita, k'hirarianay ho tafita.

...

(Vetsovetso)
Anaka, izao tononkalo izao dia tonom-bavaka ho anao,
Tena vokatry ny fo, sady firariana soa.
Amin'ny lalana ombàna, mahaleova mahalasàna!
Hanan-jara soa indrindra, tsy ho solafaka mamindra, izany zanako izany...

...

Raha toa ka tomany aho, ranomasom-pifaliana ny ahy sombinaina!
Nofo aman-drà ihany aho, toa misento aho no sahiran-tsaina...
Izay vitanay izay, no ataovinao indray
Hanasaoavanao ny akany mba ho mamy

Izay vitanay izay, no ataovinao indray
Hanasoavanao ny akany mba ho mamy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Jack's
Vangy : 205
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Raff1995
Daty : 18/12/2023 15:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741