Mba tandremo kely lesy (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba tandremo kely lesy (2)
‘ty fiainana ity anie ka be fikafika
Mba tandremo kely lesy
Mitolona lery mba ho tafita
Ny fandrika hiaraha-mahita
Zaran’olona aza ialahy midaraboka dia any dia tsy hita

Mba hevero kely lesy (2)
‘ty fahazarana variana fahiny
Mba hevero kely lesy
Be no lasa adala amin’iny
Azony izay rehetra niriany
Saingy zara raha miakanjo sy mivarilavo ankehitriny

Zandry a ! Ny tany anie ka malama maina
Tsy ampy lesy ny mitaraina
Mba tanora ve lery sao refa drodroka tsy manana hataina
Zandry a ! Tsy vita tranga lela ny miaina a
Tsy ampy lesy ny mitaraina
Sao ny namana niarahana ela tafita, ialahy tonga saina


Mba tandremo kely lesy (2)
Ny tendrim-po anie ka tsy mba akama
Mba tandremo kely lesy
Ny fo anie ka rano mafana
Ny teny lasalasa tsy tana
Mbola ho averina amin’ialahy rehefa tonga ny fotoam-pijinjana

Zandry a ! Ny tany anie ka malama maina


O mba saino kely lesy (2)
I dada sy i mama anie ka tsy ao intsony
O mba saino kely lesy
Ny hahatafita antsika no nimasoany
Ny hampisandratra an’ialahy ho ambony
Ny fahendrena no mba lova napetrany amin’ialahy, ka arovy

Zandry a ! Ny tany anie ka malama maina

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Jack's
Vangy : 11997
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/01/2008 14:40
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0536