TSY MAINTSY (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy maintsy hanainga indray fa maraina ity ny andro
Hiatrika ny tolom-piainana andavanandro
Tsy maintsy ny ao an-doha raha vao mifoha dia ny hoe :
Miomana handeha

Tsy maintsy afenina amin'ny paozy irony adin-tsaina
Fa samy mba mizaka ny azy am-po, tsy lazaina
Saromana amin’ny tsiky mba tsy ho taratra loatra,
Imasom-bahoaka

Tsy maintsy iaretana eny irony toetr’andro ratsy
Na erika, na rivotra, na hatsiaka mifafy
Tsy maintsy tonga a lera mantsy mba ho porofo
Fa mbola mazoto

Na mby an-koditra aza ’iony aretin-tsamihafa
Hodiana tsy hita f’hazo fijaliana io ka zaka
Tsy maintsy miezaka mijoro na dia savolaina
Fa tsy an-kitaraina


Tsy maintsy hajaina ny asa f’izy no "maha-rangahy"
Fa raha ny vola no antenaina very fanahy
Na be na kely no azo toa tsy ahoan-tsy ahoana
Fa tsy ampiampy foana
Ny atsy ny karama tsy voaray dia efa vita
Kaonti-trosan’olona ho aloa tsisy fika
Ny aroa tsisy dimy andro no avy nandray
Dia efa mikolay

Tsy maintsy mitsikaraka amin’ny "ambony ampànga"
Vao mba mahita riràny hamenoana izay banga
Raha tsy izay tsy mantsy handrehitra tanimena
Vao hisy jerena

Tsy maintsy manana herim-po sy be herin-tsaina
Raha asa-tena no hivelomana ka ho antenaina
Miandry tsikim-bitana, hipi-maso an’ila
Vao mba velon-kira

Tsy afa-hitafy randrana manendrika ny hafa
Raha saranga tsotra no efa niorenam-pàka
Satria tsy lasa mpànana, na ho ambony na oviana,
K’aleo mangina

Tsy maintsy latsa-bavaka mitsirepirepy
Raha tojo ny andro mafy, tsy itokoam-baraiventy
Tsy manan-jo ho kivikivy na hanary toky
Na dia handry fotsy
Ireo kilonga kely tsy mahay ny tsy misy
No ampandeferan’hambo, k’hitrosanana, indrisy
Fa ny lehibe zatra mihafy eny ihany rehefa an-tanan-dany
Tsy afaka hanan’ambim-bava, na koa tahiry
Hoan’ny "retirety" izay tsy sainina firy
Fa dia tsy maintsy ho ankinina am’ilay Ray Tsitoha,
Izay mety hahasoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Jack's
Vangy : 4252
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 08/01/2008 09:13
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116