FA HO AVY NY TOMPO (APF TANGAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sao ity no toriteny farany ho renesinao
Ka dia mba miova tsy hanenina ianao
Ka sokafy ny fonao raha mandre izao hira izao
Mibebaha, miambena, Fa ho avy ny Tompo

Ka aza dia mangatak'andro fa tsy fantatrao akory
Ny ora izay hahatongavan'i Tompo ety
Mivavaha ka aza mitsahatra fa ny fandrika dia be
Mibebaha, miambena, Fa ho avy ny Tompo

Miomana hitsena Azy an-kafaliam-be
Ka midera, Mihira Fa ho avy ny Tompo

Mivavaha ka aza mitsahatra
Ka misaora ny Tompo Mpanjaka
Amin'ny andro firavoravoana

Hitsena (hitsena) tompo mpanjaka
Haka ny (haka ny) olony
Izay mino Azy, ho any am-paradisa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APF TANGAINA
Visites : 152
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Nomenasyaina
Date : 03/03/2025 10:02
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0729