Tranonao Fitiavana (APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Zato taona telopolo dimy amby izay no lasa
Nitoriana an’ilay velona
‘Lay Fo Masina mitempo fitia he ! he !
‘Lay Fo Masin’i Jesoa no fitia
Maro ireo nifandimby nanohana sy namolavola
Na misonera zanatany samihafa
Sahy nilaza an-kasahiana hoe he ! he ! he !
Ny fitiavako ny tranonao no maha ritra ny aiko
Ny fitiavako ny tranonao
Tranonao fitiavana

REF :
Misaotra anao Jesoa Fitiavana
Mankasitraka anao zahay Jesoa
Maha ritra ny aiko ny fitiavako anao
Misaotra anao Jesoa Fitiavana
Tranonao fitiavana (x6)


2- F’Ianao anie Jesoa nomen-kasina hatrizay
Ain amaro anie tonga fanasina
Mamelombelona fiangonana e he ! he ! he !
Zary ain’ny ankohonana
Fehizoro joalajoala milaza ny fisiana
Famantarana itarafana an-tanana
Hahasahiany milaza am-pinoana hoe he ! he ! he !
Ny fitiavako ny tranonao no maha ritra ny aiko
Ny fitiavako ny tranonao
Tranonao fitiavana

3- F’izahay no fiangonana
Velona eto an-tany
Vato velona ianteherana anorenana
Hiray saina ho vato azo ifaharana e
Vato fehizoronay ianao
Hasondrotray ny vavakay Fo Masin’i Jesoa
Omban’ireo nialoha lalana anay
Isoloanay teny hilaza hoe he ! he ! he !
Ny fitiavako ny tranonao no maha ritra ny aiko
Ny fitiavako ny tranonao
Tranonao fitiavana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Visites : 113
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : andryangelove
Date : 31/01/2024 07:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726