Jôsefa sy Maria ô (APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Jôsefa sy Maria ô! Ndreto izahay zanakareo
Mitalaho sy miangavy anareo, hitondra izao vavakay izao
Jôsefa sy Maria ô! Omeo anay ireo toetra soa
Nitaizanareo ilay Zokinay, tany Nazareta

Jôsefa ô! Maria ô! ô!
Ny fandeferana, ny faharetana
Jôsefa ô! Maria ô! ô!
Ny fiantrana sy ny fanetren-tena
Tany Nazareta


2-Jôsefa sy Maria ô! Ndreto izahay zanakareo
Mitalaho sy miangavy anareo, hitondra izao vavakay izao
Jôsefa sy Maria ô! Omeo anay ireo fomba soa
Nitondranareo lay tokantrano Masina, tany Nazareta

Jôsefa ô! Maria ô! ô!
Ny finoana, fanantenana koa
Jôsefa ô! Maria ô! ô!
Ny fitiavana tsisy fetra sy madio
Tany Nazareta


3-Jôsefa sy Maria ô! Raha ho tonga ilay fotoana
Handaozanay ity lohasahan-dranomaso fa vita ny fiainanay
Jôsefa sy Maria ô! Tantano ny zanakareo
Hiara-tsambatra aminareo sy I Jesoa, any an-danitra any

Jôsefa ô! Maria ô! ô!
Ny fivalozanay, famelan-keloka
Jôsefa ô! Maria ô! ô!
Entinareo ho eo anatrehan'I Jesoa
Any an-danitra any (3)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Visites : 129
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : andryangelove
Date : 29/01/2024 09:33
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845