Mirosoa (APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mandrosoa eny amin’ny lalina
Aza manana ahiahy
Alatsaho ny harato, miasà
Izaho Tomponao no miteny
Ny finoanao iriko ho velona (bis)
Niasa mafy anie izahay
Mandany ny alinay tontolo
Tsisy vokatra azonay mandreraka
Na hazandrano iray akory e
Fa hody tanam-polo e, izahay Tompo ô (bis)

Ref :
‘Ndeha ianao,
Halalino ny finoanao, mirosoa
Iaino dia zarao ny namanao
Hirahiko ianao hanarato olona
Raha sitrakao homba anao aho
Hiroso aho (beso)
Hiroso amin’ny lalina aho Tompo ô !
Noho ny teninao (beso)
Hiroso amin’ny lalina aho !

2- Noho ny teninao anefa
Hiroso ihany izaho
Halatsako ny harato
Na tsy eken’ny saim-pahazarako !
Androso eny amin’ny lalina aho
Ampio aho hiaina amin’ny finoako (bis)

Ny fisasaranao tontolon’ny alina
Raha tsy homban’izy Tompo
Dia ho sasa-poana ianao ka miandrasa
Izy handalo hampianatra hitory e
Hiditra amin’ny fiainanao
Hibaiko izay ataona (bis)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Vangy : 119
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andryangelove
Daty : 31/01/2024 08:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744