Mirosoa amin'ny lalina (APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Jesoa ô, fahasoavana tsy hita ho visaina
No notovozin’ireo ondrinao
Toa tara masoandro mipoitra maraina
Samy nahazo izao tontolo izao

Faly ny foko ravo ny saiko
Raha sendra nadinika izay ao anatiko
Ka hiroso amy lalina izay tratry ny aiko
Hikolo finoana zay ampy ho vatsiko

Ref :
Ianao ry Jesoa no niteny mazava
Mirosoa amin’ny lalina aza miato
Ny fihambahambana indro nisava
Roso ry Piera, saika triatra ny harato
Ending : « Mandehana ianareo,
mampianara ny firenen-drehetra » (Mt :28,1)

2- Jesoa ô, na dia tanatin’ny sambo aza Ianao
Ny mpianatrao tao dia natahotra ihany
Kanjo ny onja masiaka nanaiky anao
Gaga izy rehetra nahita izany

Sarotra ihany ny ho vontom-pinoana
Kanefa i Abrahama nanaiky hatrany
Indro Isaaka zay saika hovonoina
Voasolo ondralahy, finoana e izany

3- Jesoa ô, Ianao no naniraka hiroso hatrany
Raha ny herinay tsinontsinona foana
Indro ny harato halatsako ihany
Tsy misy tsy efa ao anaty finoana

Maria tovovavy tsotra fiaina
Hendratra gaga nandre ny anjely
« Ianao no voafidin’ny Tompon’ny Aina »
Hitondra sy hitaiza ilay zazakely

4- Jesoa ô, i Saoly nihevitra ho tena mahery
Nandripaka mpino mpanaraka Anao
Voaantso mangina tsy foinao ho very
Niova finoana nanaiky ho irakao

Izao tontolo izao ratsy sy rendrika izao
Toa ranomasina be sy manonja
Tianao hiova ho tany vaovao
Hanjaka ny marina ho foana ny fonja
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Vangy : 119
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andryangelove
Daty : 31/01/2024 08:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0914