I KRISTY NO MASOANDROM-PIAINAKO (Antsan'i Trinité Masina )

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I Kristy no masoandrom-piainako
Mitantana e sy manoro ahy ny lalako
Ka na ho avy anie ireo fahavaloko
Izaho tsy hianjera, vato anie no iorenako (2)

Mangotrokotroka ny feo mandrahona ahy
Misosososo ireo fahavalo manohitra ahy
Tsy ahoako ireny fa Ianao no vatolampiko
Ianao Kristy, Ianao ihany no iarahako

I Kristy no masoandrom-piainako
Mitantana e sy manoro ahy ny lalako
Ka na ho avy anie ireo fahavaloko
Izaho tsy hianjera, vato anie no iorenako (2)

Mitrerona ny feon’ireo mpisompatra ahy
Tsy marim-pototra hono hoe izao finoako izao
Tsy ahoako ireny fa Ianao no vatolampiko
Ianao Kristy Ianao ihany no iarahako

I Kristy no masoandrom-piainako
Mitantana e sy manoro ahy ny lalako
Ka na ho avy anie ireo fahavaloko
Izaho tsy hianjera, vato anie no iorenako (2)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antsan'i Trinité Masina
Visites : 2429
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : miritsoka
Date : 23/02/2018 13:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762