JESOA FITIAVANA (Antsan'i Trinité Masina )
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
JESOA FITIAVANA OJESOA FITIAVANA O, MBA VANGIO RE NY TRANOKO (mba vangio e )
IOMBONAKO AMINAO RAHA MANDRAY NY ANJARA KALISIKO
JESOA FITIAVANA O, MBA VANGIO RE NY TRANOKO (mba vangio e )
AHITAKO ISAN’ANDRO IZAY SITRAKY NY RAY
JESOA FITIAVANA O, MBA VANGIO RE NY TRANOKO (mba vangio e )
MBA HO ZARY FITORIANA ANAO NY FOMBA HITONDRAKO NY FIAINAKO
INY RANO MIKORIANA INY (OUUU)
TSY HIVERINA INTSONY (OUUU)
FA HIVARINA ANY LAVITRA
ANY ANATY RANOMASINA
MOA TSY IZANY ITONY FIAINANA
IRIANA HOTANANA SAINGY RIFATRA
KA DIA TSETRA RANOFOTSINY
NO MAHA-AMPOKA NY FON’IREO MPAMIKITRA
HONO HO’AHO RY FOTOANA (HONO HO AHO)
AMINAO NY HIFANDAHARAM-PAMORETANA
RAHA IZAY TSY FANANANA
NO EFA HIVAROTANA NY MASINA
AM’IZANY TEBITEBY IZANY
IANAO RY JESOA NO MANATONA
DIA MANOLOTRA NY TANANAO
NIBITSIKA ILAY ANTSO FITONIANA
MBA HO HENOKO IZY IZAY ANIE
NATAOKO IHANY NY HISEHO (OUUU)
HO MPITONDRA NY FIAINANA (OUUU)
FANIRIANA IHANY IZANY
HOY NY VATO MANOHA FILANTOANA
VETIVETY DIA MIKITROKA
TSY AHITANA HAZAVANA HIVELARANA
FA NY TENA HONO HOE NO ALOHA
NY HAFA KOSA HO AN’NY MANARAKA
HONO HO AHO RY TANTARA (HONO HO AHO)
FIFAHARAN’NY FIAINAN’NY OLOMBELONA
DIA HO MANDRAMPAHOVIANA
NO HIFEHEZANAO NY FINIAVANA
KOA MBA FANTATRAO VA RE
F’EFA NISY NAMPANGIANA NY HERINAO
KA NANAFAKA NY SAINA
TEO AMBANIN’NY DIDY FIFEHEZANAO
MBA HO HENOKO IZY IZAY ANIE
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antsan'i Trinité MasinaVangy : 2671
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : aorn
Daty : 30/10/2008 09:07