AMPIZORY (Antsan'i Trinité Masina )
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampizory amin'ny lalan’ny baikonao ahoF’io no fototry ny hafinaretako
Ka ny fanambaranao no iraikan’ny foko
Fa tsy amin’ny fitiavana harena
Ka na tsy itokiako aza izany heriko
Hifanaraka amin'zay sitrakao
Eo akaikiko Ianao ary mitantana ahy
O Ry Jesoa, Ianao no iorenako
Eo an-tananao ry Tompo no apetrako iny ho aviko iny
Tsy hikatsahako afa-tsy Ianao, lay niantso ahy tamin'ny anarako
Avilio amin'zay zava-poana re ny masoko
Velomy amin'ny anaranao aho
Tanteraho amin'ny mpanomponao ny teninao
Zay nataonao ho an’ny matahotra Anao
Ka amin'ny androm-piainako manontolo
Dia Ianao irery ihany no eto am-bavako
Ho ampoky ny fiderana Anao ny foko
O ry Jesoa Fitiavana tsy mivadika
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsan'i Trinité MasinaVisites : 1619
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : miritsoka
Date : 23/02/2018 16:21