Ny fanompoana Anao (Hira faneva faha 50 taona) (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Dimampolo taona lasa izao no nijoroan’ny fikambananay
Koa isaoranay ny Anaranao ry Ray
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao anay
Sarotra tokoa raha ny lalana nodiavina
Ny fandrik’i Satana nisy, tsy azo lavina
Soa fa teo Ianao Ilay naniraka handeha
Mampahery isan’andro, miteny manao hoe :

Refrain :
Ry Ziona izay mitondra teny soa mahafaly ô
Asandrato mafy ny feonao
Asandrato fa aza matahotra
Asandrato k’aza miahotra
Ny asa nanirahana anao izao ndeha tanteraho
Ny sitrapon’ny Tompo no aoka atao
Dia torio hatrany Ilay be fitia
Koa matokia, f’Izy tsy handao sanatria

2/
Taon-jobily izao no ankalazaina
Ianao re no vetsoina sy hiraina
Koa sahy izahay, hitory, hanambarà
Mb’hipaka amin’olona ny Filazantsara
Koa vonona izahay hitambatra ho iray
Hamotika ireo fandrika mahamahay
Mba hisehoan’ny voninahitrao
Sy hisian’ny fifaliana ao an-danitra ao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Visites : 166
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : akoniziona
Date : 09/11/2023 09:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723