Dera, Laza (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/
Raha mandinika ny asatananao aho Tompo ô
Dia tsapako ao am-po
Fa tsy misy ratsy, na kitoatoa fa tena soa
Sy lafatra avokoa
Lanitra sy tany, sy ny zavatra eo aminy
Dia mahafapo
Ka manery ahy hidera Anao ry Andriamanitro

Refrain:
Dera, laza Ray ô, mendrika Anao
Hery, haja, Tompo ô, no hatolotray izao
Fa mahery Ianao, Mpanjakan’ny mpanjaka
Ilay hatramin’ny taloha, mbola tsy miova ihany koa
Fa mahery Ianao, Mpanjakan’ny mpanjaka
Ilay hatramin’ny taloha ary mandrakizay doria

2/
Raha vao misaina ny fitiavanao aho Tompo ô
Dia resy lahatra
Fa tsy misy Tompo na Mpamonjy azo antoka
Mihoatra noho Ianao
Mora azo indrindra
Eo anilako eo mandrakariva n’inona manjo
Ka manery ahy hisaotra Anao ry Andriamanitro
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Visites : 151
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : akoniziona
Date : 08/11/2023 14:08
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0806