KANTO LOATRA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy voasanda vola sy harena, tsy voavidy 'lay fitia
'Zay nomenao tsy noterena 'lay Tokanao dia Kristy
Na atambatra aza ny haren'ny tany sy lanitra tsy ampy
Hanehoana ilay fitia natolotrao

Fa kanto loatra ry Tomponay ô! ny midera ny Anaranao
Ho setrin'ny Famonjena izay natolotrao mba ho anay
Tsy tratry ny saina ny herinao sy ny fahefana anananao
Ka fihirana no entinay midera Anao

Ny hany tiako sy mba iriako, Mpamonjy ô! hohiraiko
'Zaho mba ho isan'ireo hitoetra anilanao rahatrizay
Ka rehefa ho avy indray Ianao, ho avy hitsara anay
Tsy ho tavela ho very mandrakizay

Fa kanto loatra ry Tomponay ô! ny midera ny Anaranao
Ho setrin'ny Famonjena izay natolotrao mba ho anay
Tsy tratry ny saina ny herinao sy ny fahefana anananao
Ka fihirana no entinay midera Anao

Fa kanto loatra ry Tomponay ô! ny midera ny Anaranao
Ho setrin'ny Famonjena izay natolotrao mba ho anay
Tsy tratry ny saina ny herinao sy ny fahefana anananao
Ka fihirana no entinay midera Anao

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMPIZIFA
Visites : 249
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : AMPIZIFA
Date : 19/03/2024 11:03
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1629