FITIAVAN'ANDRIAMANITRA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay

Tompo Tsitoha ô!
ilay indrafonao tsy ho voavalinay
Haleloia, Hosana no hasandratray
ho fisaoranay ny antranao

Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay

Tompo Tsitoha ô!
ilay indrafonao tsy ho voavalinay
Haleloia, Hosana no hasandratray
ho fisaoranay ny antranao

Ny fitiavanao anay Tompo ô!
no nahatoy izao anay
Fitiavanao ilay nijalianao
nanafaka ny helokay

Lay rafinao, lay fahavalonay
nandavo anay, namokatraka
fa Ianao ry Jesoa Tomponay
namela anay, nanafaka

Ry Kristy ô! ry Jesoa Tomponay
hanjakao re ny fiainanay
ny fo, fanahy, ny tena atolotray
ho Anao Andriamanitray

Ny hitory Anao mandrakizay ry Ray
ekenay tsy ho lavinay
ekenay koa ny ho miaramilanao
handresy izao tontolo izao

Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay

Tompo Tsitoha ô!
ilay indrafonao tsy ho voavalinay
Haleloia, hosana no hasandratray
ho fisaoranay ny antranao

Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay
ho famonjenao anay
ho famonjena ho anay
--------
Lien:
Commentaires
AMPIZIFA ( 15/03/2024 12:15)
AMPIZIFA dia Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe, mitory ny filazantsara ary mitaona ny tsirairay handray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMPIZIFA
Visites : 253
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : AMPIZIFA
Date : 15/03/2024 12:03
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141