Fikambanana Malala (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fikambanana Malala, nitaiza sady nanasoa
Ny fitiavako tsy miala, tena raikitra ao am-po
Andry sy mpanolokolo sy manintsy izany dia
Ray miteny sy manoro, ka tena sambatra aho satria
     Ka n'aiza n'aiza misy ahy ho velona ato am-poko ianao
     Irony fiainana am-panahy mitondra hery vaovao
     Ry fikambanako lalaiko,mamiko indrindra ka izao
     Raha Mbola velona ny aiko, satriko foana anilanao.

Fikambanana tsy foiko,nandresy lahatra ny fo
Izao tontolo izao afoiko, f'ao no misy zava-tsoa
Lalana mitaiza ahy mba ho hendry sy hanoa
Mitahiry ny fanahy hanompo an'ilay Ray Tsitoha
      Ka n'inona n'inona midona, na zary lavitra ny fo
      Injay ny foko fa mirona ho eo anilanao tokoa
      Ity fikambanako antenaiko hitsena sy hambomba ahy
      Ka falifaly erý ny saiko, ho velombolo ny fanahy.

Key :Fa
A/C: RAKOTOARILALA Nest Herry-Lys
A.MI.KRI 2000
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)
Visites : 426
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : miharymamy8
Date : 14/06/2022 21:15
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216