Fikambanana Malala (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fikambanana Malala, nitaiza sady nanasoaNy fitiavako tsy miala, tena raikitra ao am-po
Andry sy mpanolokolo sy manintsy izany dia
Ray miteny sy manoro, ka tena sambatra aho satria
Ka n'aiza n'aiza misy ahy ho velona ato am-poko ianao
Irony fiainana am-panahy mitondra hery vaovao
Ry fikambanako lalaiko,mamiko indrindra ka izao
Raha Mbola velona ny aiko, satriko foana anilanao.
Fikambanana tsy foiko,nandresy lahatra ny fo
Izao tontolo izao afoiko, f'ao no misy zava-tsoa
Lalana mitaiza ahy mba ho hendry sy hanoa
Mitahiry ny fanahy hanompo an'ilay Ray Tsitoha
Ka n'inona n'inona midona, na zary lavitra ny fo
Injay ny foko fa mirona ho eo anilanao tokoa
Ity fikambanako antenaiko hitsena sy hambomba ahy
Ka falifaly erý ny saiko, ho velombolo ny fanahy.
Key :Fa
A/C: RAKOTOARILALA Nest Herry-Lys
A.MI.KRI 2000
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)Hits : 439
Likes : 0 Like
Created by : miharymamy8
Date : 14/06/2022 21:15