Izy hiady ho anao (Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avo loatra ve ny tendrombohitra hiakaranao
Lehibe loatra ve ny rano zay hiampitanao
Toa tsy azonao zay anjara masoandro kely
Moa mihaino Andriamanitra, miaro ve ny anjely

Raha Jehovah no momba antsika, iza no ahatohitra antsika ?
Na betsaka aza ny ady atao ety an-tany
Raha toa be fahavali dia lazao mafy hoe
Izaho manantona anao @ anaran'i Jehovah Tompon'ny maro

Lazaiko aminao marina dia marina tokoa
Fa na kely toy ny voantsinampy aza ny finoanao
Dia mahafindra tendrombohitra
Koa nahaoana ianao no mbola mitanondrika

Raha Jehovah...
Mahereza sy matanjà
Aza matahotra, aza manahy
Fa Jehovah Tomponao no momba anao
Izy hiady ho anao

Raha Jehovah...
F'Ilay Jesosy anie eo foana hiaro
Izy vonona hatrany hiady ho anao

A/C: Fitiavana Rbrl
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo
Vangy : 454
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fitiavana_Rbrl
Daty : 03/12/2022 12:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748