ALINA MANGINA (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Alina mangina
Feno haizimpito ny tany
Alina mangina
Nefa misy feo any ho any
Alina mangina
Alina iray mahagaga
Alina mangina
Nefa dia niseho ny mazava) 2

Ireo mpiandry ondry tao antsaha
Dia raiky tahotra nandre ilay feo avy any andanitra
Tsy hita intsony izay aleha fa nisy hazavana be
Mazava sy manjelanjelatra

Aza matahotra, aza matahotra
Aza matahotra, aza matahotra

(Ireo mpiandry ondry raha nandre izao teny izao
Tsy nangataka andro fa nizaha ity vaovao
Tao antranonomby fihinanambilona iray
Tao ilay mpamonjy zanak'Andriamanitra Ray) 2

Ry olombelona o avia
O mihobia ka mifalia
Satria nahazo fiainam-baovao
Fa teraka ilay Mesia
Tsy iza fa Jesosy tia
Izay hamonjy izao tontolo izao

Voninahitra, fiadanana
Voninahitra, fiadanana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Visites : 50
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : AFIF
Date : 11/08/2024 06:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732