Aleloia miderà (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Aleloia , aleloia , aleloia ô miderà
Fa lehibe ny fahasoavan'Ilay Tsitoha
Aleloia , aleloia , aleloia ô miderà
Mandrakizay ny famindrampon'ny Tomponao
Aleloia, ô miderà x2
Ankalazao fa Izy no Tompo Andriamanitra

Ref : Fa lehibe ny fanjakaNy, tsy manam-petra izany
Ka izay mino ny Teny, handray ny fahasoavaNy
Handova ny fanjakaNy dia ilay paradisa fiaina(na) mandrakizay

2-  Aleloia , aleloia , aleloia ô miderà
Ny famonjena efa vitan'Ilay Kristy
Aleloia , aleloia , aleloia ô miderà
Ny rà nalatsany ho avotra matokia
Aleloia, ô miderà x2
Ankalazao fa Izy no Tompo mpanavotra

Fa lehibe.....

3- Aleloia , aleloia , aleloia ô miderà
Fanahy Masina izay nomena ho anao
Aleloia , aleloia , aleloia ô miderà
Mba hanazava sy hitsilo ny lalanao
Aleloia, ô miderà x2
Ankalazao fa Izy no Tompo mpananatra

Fa lehibe ..... x2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0698