Vavaka ho an'ny firenena (VLM Benivary Antsirabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/ Indro atolotray ho Anao Ray
Izao vavakay izao
Ametrahanay an-tananao, ny taninay
Ianao JESOSY o no efa nifidy anay
Ka vonjeo re ny firenenay

Miantrà ny firenenay
Ry JESOSY Tompo oh
Mbola maro ao ny olona tsy mahalala Anao
Sitrano JESOSY oh izao tontolo izao
Asehoy re ny voninahitrao


Ref:
Ireo mpitondra anay,
Omeo fo sy saina' mahay miray
Ary ny vahoaka ao
Hiadana, hilamina amin'izay

Raha ny oloko Izay nantsoina amin'ny Anarako
No ho avy anetritena,
Ka hivavaka sy hifona ho an'ny taniny
Dia ihaino any an danitra Aho
Ary hamela ny helony

2/ Aratsiana maro isankarazany
Tena manjaka ao
Kolikoly sy ny sampiny
Mba ravao
Fitiavam-bola izay tsy mahasoa
Ady voninahitra mankarary loha

Ampy izay ny Andro lasa
Tongava saina amin'izay
JESOSY efa nikasa ny hamonjy anao
Sarobidy eo Imasoko ianao
Tsy andao Aho, na afoy anao

Ref ...

Auteur: Rufin
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : VLM Benivary Antsirabe
Hits : 342
Likes : 0 Like
Created by : BENIVARYvlm
Date : 24/09/2025 10:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0226