O! MANDRENESA (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. O! mandrenesa ianareo,
Ka makanesa aty Amiko
Ianareo izay miasa fatratra
Omeko fitsatahana

(Fa Izaho no làlana) Hoy ny Tompo!
(Izaho no fiainana) Hoy ny Tompo!
(Ka izay manantona Ahy) Tsy ho laviko!
(Ary ny aretina) Ho sitraniko!


REF: Jesosy Tomponao, mbola miantso anao
Manantona Azy fa sao ho neninao
Aza matahotra na miahotra
Jesôsy no Mpanavotra


2. izay mandona no hovohana
'Zay mangataka no omena
Izay mino koa no hovonjena
Izay mino no hovonjena

(Fa Izaho no làlana) Hoy ny Tompo!
(Izaho no fiainana) Hoy ny Tompo!
(Ka izay manantona Ahy) Tsy ho laviko!
(Ary ny aretina) Ho sitraniko!

(SVM FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro Itaosy)
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Link:
Comments
Sandosantos ( 17/04/2024 15:31)
Mandrenesa, hira anisan'ny ankafizin'ny mpikambana ato aminay ity
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Hits : 37
Likes : 1 Like
Created by : Sandosantos
Date : 17/04/2024 15:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0758