MATOKIA MIASA JESOSY (TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Satry foana ho faly ny fo,
Nefa trotraka ihany indraindray.
Satry foana ho fiainana soa,
Fa dia kivy sy mangaihay.

Malomaloka sy maizina
‘Lay maraina ‘zay nandrasana,
Ngolingoly ny fo sy fanahy,
Malahelo, mitanondrika.

Namako mahantra (ô!)
Amin’ny Anaran’Ilay Jesosy Tia:
Afa-patotra ianao, matokia!


Satry foana mba hiriaria,
Nefa tojo aretina indray,
Teo mba ravo sy mirana ery
Fa: ‘zao indray ketraka sy mkolay.

Namako marary  (ô!)
Amin’ny Anaran’Ilay Jesosy Tia:
Sitrana re ianao, matokia!

Namako voageja (ô!)
Amin’ny Anaran’Ilay Jesosy Tia:
Ny fanaintainanao: mialà!
Amin’ny Anaran’i JESOSY!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0999