NY FITIAVAN'ILAY ANDRIAMANITSIKA (TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina))

https://tononkira.serasera.org/hira/tza-lazaina-tanora-zanaka-ampielezana-lazaina/ny-fitiavanilay-andriamanitsika-1

Inona sy inona no havaliko
An’i Jehovah ‘zay Andriamanitro
Noho ny soa nataony tamiko ô ,
Soa rehetra nataony tamiko,

Aiza àry ianao am’izao rahavako ô!
Moa tsapanao ve ny fahasoavana
Omeny tsy tapaka isanandro izao,
Omeny tsy tapaka isanandro anao .

Tsy misy mahafantatra izay ho ampitso
Fa iny eny ihany miriaria ,
Manahiahy ery raha misy aretina
Kanefa dia sitrana soamantsara
Mirana fatratra tsy hay lazaina
Raha tojo ny soa sy fifaliana,
Izany sy izany no tanisaina:
Fitiavan’ilay Andriamanitsika (ô!):
Inona sy inona…





Vola sy htononkira.serasera.orgarena sy ireo fananana
Foiny ho antsika tsrairay avy,
Fahasalamana sy ireo taranaka
Mbola nataony ho fanomezana ,
Bika tomady mahafinaritra
Manginy fotsiny tadidio
Saina matsilo sy fahombiazana:
Fitiavan’ilay Andriamanitsika (ô!)
Inona sy inona….

Tsy mangataka akory dia efa fantany
Izay sahaza tadiavinao,
Fa hafakely ny valim-bavaka:
Nataony mihoatra dia gaga ianao,
‘Zany hafaliana tsy hay lazaina:
Fitiavan’ilay Andriamanitsika (ô!)

Ry Tompo Andriamanitro any an-danitra
Isaorako mitafotafo ange ianao,
Tsy diso anjara isam-baravarana
Ka deraiko foana ianao Haleloia!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina)
Mpamaky : 677
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Heriniaina_Andriamanjato
Tamin'ny : 11/07/2016 12:31:55
ID : 8679

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo