Ny saiko te ho any (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faniry :
Nivadibadika aho ny alin'io
Vao nandre fa ho avy ianao
Niasa saina niasa loha
Ny amin'izay tokony ataoko
Ny fiainako mantsy ankehitriny
Efa tsy toy ny taloha
Fa sahiran-dava amin'ny asa sy adidy
Saingy tsy fantatrao

Manahy mafy aho sao ianao
Tsy mba mihevitra ny adin-tsaina anatiko ao
Mijaly ny eritreritro

Ref:
Izaho sahirana, ianao nefa nanantena
Fa hiaona indray isika roa
Na ny fotoana mandalo sy miserana ihany, mandalo fotsiny aza
Ny saiko te ho any fa ny hafa tsy azo terena
Tsy mazava izay ao am-po
Lasa vesatra ao anatiko ao
Te hahita anao aho izao

Pôpôly :
Aza lasa saina akory
Fa ny hasasarako dia ho anao
Izaho koa mba reraky ny adin-tsaina
Adin-tsaina irery aty
Tsy misy ahiahy intsony
Ny foko efa lasanao
Tsy nasiako tavela, ooooh
Na ho an'ny tenako aza

Asa aloha raha mino ianao
Ny voady efa nataoko tsy ho averiko intsony
Anjaranao anie izao

Ref:
Izaho sahirana, ianao anefa nanantena
Fa hiaona indray isika roa
Na ny fotoana mandalo sy miserana ihany, mandalo fotsiny aza
Ny saiko te ho any fa ny hafa tsy azo terena
Tsy mazava izay ao am-po
Lasa vesatra ao anatiko ao
Te hahita anao aho izao (x2)

Pôpôly :
Izaho sahirana, ianao nefa nanantena
Oooooh fotoana mandalo sy miserana ihany
Mandalo fotsiny aza Oooooh

Faniry :
Satriko foana, hahita anao aho isan'andro
Oooouh Ooouh

Avril 2018
--------
Link:
Comments
Nohisoa ( 17/02/2023 15:10)
Hiram-pitiavana tena mahafinaritra <3
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tempo Gaigy
Hits : 504
Likes : 2 Like
Created by : Nohisoa
Date : 17/02/2023 15:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0806