Vodiondry (Tarika Son)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misafononoka ny hafaliana
Mitaintaina fa handeha hangataka olon-tiana e
Manao rodobe ny fianakaviana
Handom-baravarana tokantranon-jazavavy e
Ny havan'ny vavy efa tsindrin-daona
Miandry vahiny fa fahasoavana ity e
Miomankomàna rakalakely
Amboary ny tsiky mba tsy hampihemotra olona eo ô

Tsodratsodranon-raiamandreny
Anjara tandrify tsy noterena e
Fisehoana efa vita teo e fa hikambana ianareo
Tena anjara ny anareo ô

Ny mpikabary mialoha làlana
Hitondra ny teny fa vodiondry no atao e
Satria moa ny teny hifamaliana ka
Ady kabary mafotapotaka no tao a
Ny tampi-maso efa lasa ihany
Efa folo ny mason'ny zanakay fa asehoy e
Indro tokoa razazavavy ka tehaka,
Hoby sy tabataba sy korana e

Avy mangataka izahay, rakalakely dia laninay ka entinay e
Fozalahy atakalo vavy, miteraha fito lahy sy vavy
Any aorian'ny mariazy e
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Son
Hits : 328
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 17/05/2025 14:37
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0817