Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilay tena harena (Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ilay harena tena izy re tsy eto an-tanyRaha hitady tena izy ianao : tsy eto an-tany !
Fa ny eto mora lo, tsy antenaina
Mandalo tsy azo ianteherana.
FIV : Fa ny tena harena any an-danitra
Eo anilan'Izy Ray mandrakizay
Ka katsaho dieny izao sao dia tara eo ianao
Aza variana sao very ianao.
2. Raha ny vola, rendrarendra re mandalo ihany
Ngah ireny azo entina miakatra any ?
Fa raha vola no tompoina dia veloma
Fa tsy handova 'lay fiainana.
FIV : Fa ny tena harena any an-danitra
Eo anilan'Izy Ray mandrakizay
Ka katsaho dieny izao sao dia tara eo ianao
Aza variana sao very ianao.
3. Aza mihevitra ianao fa hoe efa tafita
Eo am-baravaram-pasana : eo no vita !
Volabe, katabe, rehareha
Tavela ho zary fahatsiarovana.
FIV : Fa ny tena harena any an-danitra
Eo anilan'Izy Ray mandrakizay
Ka katsaho dieny izao sao dia tara eo ianao
Aza variana sao very ianao.
--------
Link:
Comments
Black7
(
09/06/2025 09:45)
Hira natao hanaitra ny olona fa tsy azo ianteherana ny vola, fa ny Lanitra no tena harena.
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Solofo Akon'ny Efitra Zandriny (Ekar Anosibe)Hits : 313
Likes : 0 Like
Created by : Black7
Date : 09/06/2025 09:44
