ILAY ANDRIAMANITRA INOAKO (SLK Miantsa ATV)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mbola tsaroako foana
Ilay andro iray
Nanehoan'ny Tompo ny hatsarany
Tamin'izay aho efa namoy fo fa hoe:
Ho aiza intsony aho
Tamin'izay indrindra
Tonga tamiko ny teninao
"Fa ny zanako ,sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany"

2-Manafay ny Ray nefa hainy koa
Hainy koa ny manambitamby
Hainy tsara koa ny maneho fitia amiko
Ny mahagaga ahy hainy ny mampahery
Ilay saiko efa resy dia resy
"Lehibe tokoa raha ny Andriamanitra ilay inoako"

Refrain:
Isaorako azy izay nataony ho ahy
Satry fantatro fa izay nataony rehetra
Dia anehoany tokoa ny fahasoavany amiko
Na dia hoe tsy sitrako indraindray.

3- Isaky ny misy
Izay manjoa ahy
Dia tsaroako foana ilay teny
"Fa ny zanako,sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.

Refrain:
Isaorako azy izany nataony ho ahy
Satria fatatro fa izay nataony rehetra
Dia anehoany tokoa ny fahasoavany amiko
Na dia hoe tsy sitrako indraindray

Fa mahery indrindra aho ampaherezin'ilay
Tia ahy
Hatrizay, endrey ny hatsarany.

===Slk Miantsa Atv===
A/C Mamy A.Solofo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SLK Miantsa ATV
Hits : 222
Likes : 0 Like
Created by : LalainaRakoto
Date : 19/03/2024 04:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718