MIFANKATIAVA HIANAREO 25è (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny Ray be fitiavana, Nahary antsika,
Nandray antsika ho zanany
Ny fahasoavany naha toy izao antsika
Natolony ny fiadanany

Ref:
Jesosy mpamonjy no miteny
Tanteraho ny didy nomeny
Mba mifankatiava, mifankatiava, mifankatiava hianareo
Mifankatiava toy ny nitiavako anareo

2- Ny ota rehetra izao dia nofafany
Ny helontsika efa navela
Jesosy Kristy nandatsaka ny Ràny
Nahoana moa raha mifamela?

Jesosy Mpamonjy.....

3- Ilay Fanahy Masina nomen'ny Tompo
Mampiavana mampifandray
Mba hifanasoa, ary koa hifanompo
Fa samy zanaky ny Ray

Jesosy Mpamonjy....

4- Feno hafaliana izahay ry Tomponay
Manandram-peo misaotra Anao
Fa ny tananao, no mitantana anay
Ny Voninahitra anie ho Anao

Mba tafio ny hery avy Aminao
Izahay hankatoa ny didinao
Mba hifankatia, hifankatia,hifankatia izahay
Hifankatia toy ny nitiavanao anay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Hits : 1172
Likes : 0 Like
Created by : jeremiar1
Date : 09/02/2017 21:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746