indro apetrako (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Indro apetrako eo antananao Ray
Ny fiainanay ety ho tantananao
Ka Ianao no hiaro sy hiahy
Amin’ireo zava-maro iaretanay

2-Indro apetrako eo antananao Ray
Ny fianaranay sy ny fanadinanay
Mba omeo anay ‘lay saina mahay mandray
Fa sarotra tokoa anie ireo lesonay

3-Indro apetrako eo antananao Ray
Ireo asa fanompoana iandraketanay
Ka Ianao tokoa no hanolontsaina anay
Mba ahafahnay ùanao ireo asanay
REF :
Ka na inona manjo, Ianao ry Jesoa soa
No hitantana ny dia mba ho tonga ar`y
Fa tsy maintsy iaretanay ireo ady hatrehanay
Fa ny fiaretanay no hampandresy  anay
                  A . Hery Razanakoto  (Mai 2016)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : sami FJKM ITAOSY
Hits : 183
Likes : 0 Like
Created by : feotsotrakoto
Date : 03/03/2025 08:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0397