Hamerina ny anaranao (Romule)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ory loatra izany foko.
Ory ity fanahiko.

Mibaby lamba mainty
Itony andro hitsahiko.
Voninkazo iray naniry
Hany sisa tombondahiko
No nilofika indray
hampihovitra ny tsiahiko.

Nilofika indray
llay nataoko ho fijorona.
Faraherin'ny fitiavako
Hany sisa hiambona.

Noheverina hitondra
Fanafody fisentoana;
Kanjo poizina nikiky
Teny an-tany famonoana.

Hany sisa holazaiko
Ry nisidina nandao,
Avelao mba ho ato am-poko
Izany alokalokao.

Ny fitiavana tsy ahy.
Ento izany fa anao.
Ny zavatra angatahiko:
"Hamerina ny anaranao."

Hamerina ny anaranao
Eny an'androko maraina.
Hamerina ny anaranao
Eny am-para-fofon‘aina.
Hamerina ny anaranao
Any am-pasana mangina.

Hamerina ny anaranao
Any an-danitra aoriana.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Romule
Hits : 279
Likes : 0 Like
Created by : Kotsur
Date : 26/08/2023 12:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898