Fandaharana (Romule)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sainonao ange isika vao nifankatia.
Nioty voninkazo natao hoe tsy halazo,
Nilokaloka ny ho doria.
Natao nisy ireny ho fitsapana ihany,
Fa saingy tsy ankiteny, tsy nolazaina antsika,
Ka toy ny nofy ihany.
Tofoka ianao, niantso tody koa angamba.
Izaho kosa anefa nahatsapa tamin’izay
F’izay no fandaharana.

Mionona f’aza mba misaina akory
Izay fiainana efa vita.
Raha toa, raha toa manorisory,
Miondreha ianao, hodio tsy hita.
Aoka oblud anefa ho fantatrao fa ny eto
Dia mandalo sady tsy ilaozan-tsento,
Ka ny hany stcp azonao atao, mionona ihany,
Fa izay no fiainana eto an-tany.

Fantatro ianao fa tononkira.serasera.org efa nionon-tsaina,
Nahay nanadino vmrbuinn ireo sorisory maro
Niainantsika hatrizay.
Ireny rehetra ireny, niserana avokoa.
Tsy maintsy misy fetra, ka aoka tsy hitsetra
’Reo andronao taloha.
Nionona ianao, izao nahay nitsara tena.
Niara-niaiky isika hatrizay ka hatrizao
F’izay no fandaharana.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.041