Ady (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahavariana sady mahatalanjona ty fomban'olona
Hazakazaka hafahafakely ny hilofosany
Matetika raha hifaninana
Ny tonga aloha no andrandraina
Dia manao izay ho afany eo daholo ny olona rehetra

Ny amin'ity indray mandeha ity indray dia mifamadika
Mifanosika miady gisitra raolombelona
Ny tonga farany no hiriany
Ankasomparana no ataony
Hanosehana ahatonga aloha ireo mpifaninana aminy

Fa mihazakazaka mihemotra raolombelona
Miaro ny ainy tsy ho faty
Hanosehany ny hafa
Manao izay fomba mamohetra raolombelona
Hanovana ny anjarany tsy ho tonga raha tsy farany

Dia ahoana hoy ianao ny hiafaran'ity fihetsiny
Fa ity olona antapitrisa an'aliny aman'hetsiny
Vokatry ny habibiana, olondiso faniarany
Mihazakazaka ao anatin'ny ankajo mavo feno ra
Tsy mifidy vola aman-karena ity raolombelona
Raha fitaovam-piadiana hifamonoana no resahana
Manapitra ny ain'ny sasany
Dia izay no anjara asany
Tsy akan-dasitra fa tena izy ny an-dry zareo

Fa mihazakazaka mihemotra raolombelona
Miaro ny ainy tsy ho faty
Hanosehany ny hafa
Manao izay fomba mamohetra raolombelona
Hanovana ny anjarany tsy ho tonga raha tsy farany

Fa mihazakazaka mihemotra raolombelona
Miaro ny ainy tsy ho faty
Hanosehany ny hafa
Manao izay fomba mamohetra raolombelona
Hanovana ny anjarany tsy ho tonga raha tsy farany
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Ramanantoanina
Hits : 809
Likes : 0 Like
Created by : arsonnjara
Date : 19/09/2022 20:21
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749